Minisitra Afrikana mendrika indrindra amin'ny Fampandrosoana

Tamin’ny fifaninanana African Business Leadership Awards 2023 teo dia voahosotra ho Minisitry ny toekarena mendrika indrindra amin’ny fitantanana ny volam-panjakana sy ny fampandrosoana eto Afrika Ramatoa Minisitra Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison ny 30 Mai 2023 lasa teo. Anisan’ny antony nandrombahany ny amboara moa dia ny nanehoany ny fahaizany manokana mandrisika ny fampandrosoana sy ny fanamafisana ny toekaren’ny firenena.

Ity fifaninana izay karakarain’ny African Leadership Magazine isan-taona ity moa dia natao mba hanomezana voninahitra ireo mpitantana andrim-panjakana na mpandraharaha mendrika indrindra eto Afrika.

Ny 10 sy 11 jolay izao no hanatanterahana ny lanonana fizarana mari-pankasitrahana ao Londres, ao anatin’ny andiany faha-8 amin’ny Vovonana Afrikana 2023.